Kitra – “Tournoi depiote Fidy” ; Tonga nanatrika ny fifaninanana ny minisitra

Tsy manavaka! Niatrika ny lanonam-panokafana ny fifaninanana baolina kitra, « Tour­noi depiote Fidy », teny amin’ ny Kianja Soavaly, fokontany Fiadanana Soanerana, ny minisitry ny Tanora sy ny fa­natanjahantena (MJS), i Mou­s­tapha Abdulah Marson, afakomaly. Hetsika karakarain’ ny solombavambahoaka voafidy teny amin’ny boriborin­tany fahefatra, Rafidimanana Désiré.
Tsiahivina fa ao anatin’ny Politikan’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, ny fanatanjahantena manakaiky vahoaka. Izay no antony anaovana ity fifanintsanana ity. Miisa 32 ireo ekipa mandray anjara amin’ity baolim-pokontany ity. Marihina fa ny fanokafana ihany no natao teny Fiada­nana, fa hiparitaka eny amin’ ny kianja Anosizato sy Anosi­patrana ihany koa izany.
Nanamafy ny minisitra fa tsy hisy ho diso anjara amin’ny fampiroboroboana ny fanatanjahantena sy ny fampivela­rana ny tanora ny eto an-drenivohitra, na ny any ambanivohitra. Ankoatra ny baolina kitra, hisy ihany koa ny fifanintsanana amin’ny taranja hafa toy ny lalao rugby, adin’ akoho ary ny tsipy kanetibe.

Fitia Randria

Partager sur: