Hanatanteraka fivoriambe ny eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny taranja Jiu-jitsu Breziliana, ny 15 febroary izao. Efa fanao isan-taona izy ity, hanaovana tatitra ny asa vita nandritra ny taona. Eo koa ny hilazana ny fandaharam-potoana rehetra ho amin’ny taom-pikatrohana 2025.
Hatao ny 1 hatramin’ny 15 aogositra, any Mahajanga, ny fifaninanana nasionaly eo anivon’ny Asief (Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires), taona 2025. Hisy ny lalao hifanandrinan’ny ekipan’ny Asief sy ny governemanta amin’ity indray mitoraka ity, raha ny fandaharam-potoana.
Notontosaina nanomboka ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny ANS Ampefiloha, ny fampivondronana ny ekipam-pirenena malagasy, taranja tolona, sokajy zandriny U23, lahy sy vavy. Tsiahivina fa hiatrika ny fifaninanana afrikanina izy ireo ny volana marsa ho avy izao ka izay no antony isian’ity fanomanan-tena ity.
Ho fanomanana ny fifaninanam-pirenena taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”, nisy ny lalao ara-pirahalahiana nataon’ny CFFA, ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianja manara-penitra Tsiroanomandidy. Nahazo fandresena 6 no ho 3 nanoloana ny ekipa voafantin’i Bongolava ny mpilalaon’Andoharanofotsy tamin’io. Tsiahivina fa hanomboka ny faran’ny herinandro ho avy izao ny PFL.