Rivo-pahasoavana

 

Iza no tsy faly vao milatsaka ny orana ankehitriny? Velombelona na ny an-drenivohitra na ny any ambanivolo. Tsy toy ny taloha nampiferinaina fa zara aza misy milatsaka. Tena fanomezana sy fahasoavana mihoapampana mihitsy izany. Tsy misy mivaky loha izay lakandrano tsentsina na fako mitsikafona any. Tena hoe zara aza misy, ara-bakiteny.
Zava-dehibe amin’ny fambolena ny rotsakorana izay efa tena niandrasana amam-bolana. Olana mantsy, efa na­hatsapana fa nihena ny voka-bary aloha, ary mbola ho tara ny vary vaky ambiaty. Tsy maintsy nangatahana andro an-tery ny fiasana ny tanimbary sy ny fanaovana voly avotra. Tena nakina ny tany, nivadika ho karakaina ny toeram-pambolena.
Mahatonga saina ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Efa tena porofo mitohaka amin’ny tenda ny voka-dratsin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Tsy voahaja intsony ny fizaran-taona mahazatra. Mikorontana ny tetiandrom-pamokarana. Manginy fotsiny ny fiantraikany amin’ny isan-tokantrano. Goavana ny voka-dratsy amin’ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy. Efa mipaka hatrany anaty vilany.
Mila fahatongavan-tsain’ny olom-pirenena isanisany eto Madagasikara ny zava-misy ankehitriny. Hatramin’ny vahaolana homen-janahary aza izao lasa vonjy tavanandro sy hamehana. Zara raha mahazo rotsakorana ilay Madaga­sikara. Ny rivodoza natao hanalavitra ny firenena, no zary hanaovam-bavaka manokana mihitsy mba hamakivaky an’ilay Madagasiraka.
Tsy sanatrian’ny vava, fanaovana tsinontsinona ny faharavana ateraky ny fandalovan’ny rivodoza an-tanety akory fa tena ilaina be ny orana. Tsy voafehy amin’ny vahaolana, sain’olombelona intsony ny gafin’ny natiora. Tsy ampy izany hoe “orana artifisialy” izany. Ity farany rahateo aza moa nahabe resaka…Mbola nisy feo niely amin’ny fikirakirana ny vola tokony ho nanaovana azy!
Tsy hoe fanaovana vain-drahalahy tsy marary, fa tena mila orana ilay Malagasy!

r.r

Partager sur: