SOMBIM-BAOVAO

Voafidy ho Judokas mendrika indrindra maneran-tany, taona 2024, ilay teratany japoney, i Chirsta Deguchi, eo amin’ny sokajy latsaky ny 57 kg, vehivavy. Nambara tamin’ny fomba ofisialy nandritra ny famaranana ny fifaninanana «Grand Slam de Paris», ny faran’ny herinandro lasa teo, izany.

Hankalazaina ny 6 febroary izao ny Andro maneran-tany ho an’ny taranja Muay Thai. Toy ny fanao isan-taona, hisy ny hetsika karakarain’ny Federasiona malagasin’ ny taranja Muay Thai, amin’io fotoana io, ho fanandratana ny taranja. Hetsika maro no hameno ny fandaharam-potoana ka anisan’izany ny fifaninanana.

Nahatratra 25 ny isan’ireo mpikatroka Taekwondo tonga nanala fanadinana hiakarana ambaratonga ny sabotsy sy ny alahady teo, teny Nanisana. Nilaza ny mpitantana eo anivon’ny taranja Taekwondo WT fa hisy ny hetsika iray hanofanana ireo Malagasy mpitsara eto Madagasikara.

Hotontosaina ao amin’ny Petit Palais Mahamasina, manomboka ny alahady sy ny alatsinainy ho avy izao, ny lalao fitsapana ho an’ireo mpilalao handrafitra ny ekipa nasionaly malagasy, amin’ny taranja Tenisy ambony latabatra “ping pong”. Tsiahivina fa natao ity hetsika ity hananan’ny Malagasy mpilalao hanao ny fifaninanana Afrika Atsinanana hatao eto Madagasikara.

Partager sur: