Nanampy betsaka ny fitaizana teo anivon’ny ankohonana ny lalao iombonana. Niombonana rahateo ny zanaka tamin’izany… Ankehitriny, mampanahy ny hahavery tanteraka azy ity.
Tao amin’ny ankohonana, ny ray aman-dreny niteraka, nanabe ho olom-banona. Vao mivoaka ny tokonana ny zaza sy ny ankizy ary ny tanora, mandray ny andraikiny manoro, mitari-dalana ny mpiara-monina… Ambonin’ ireo, nahazo laka ny lalao iombonana. Iray amin’ireo endri-panabeazana nentin’ny raiamandreny nikolokolo ny zanany. Nampitana ireo hafatra isan-karazany. Voataiza tamin’io ny fo sy ny saina ary ilay fanahy maha olona nananan’ny Malagasy.
Nanomboka nanao rapadango ny zava-misy sy ireo nampidirina teto Madagasikara ny Malagasy. Miha nanjavona tsikelikely ny lalao iombonana, toy ny fanorona, katro, tsinkonina, fampiadiana ravina (omby tanimanga, angely…), izaho valiha, raboka… Tsy nisy rahateo finiavana hanohy sy hampivelatra azy ireny teo amin’ny tomponandraikitra isan’ambaratonga.
Tsy antenaina ny hahita fandrosoana
Ankehitriny, manan-taranaka ratsy taiza ny Malagasy. Taranaka sitry sy tsy mahalala ny hafa, satria, tsy nozarina hiaraka fa notezaina hiolonolona. Tsy mahalala izay momba azy. Tsy mahafantatra akory ny manodidina azy (olona, hazo, biby, zavamaniry…), hany ka miteniteny foana, manaotao foana, mihinankinam-poana, tsy mahalala menatra, sns.
Eny amin’ireo tanàn-dehibe, mazana, no miroborobo fatratra ireo tranga ireo. Vokatr’izay, miha lalina hatrany hatrany ilay hantsana mampisaraka ny fitaizana any ambanivohitra sy ny eny an-drenivohitra. Tonga amin’ny fotoana maha olon-dehibe azy ny tanora malagasy, mifanipaka ny fomba fiainany ao anaty fiarahamonina.
… Tsy antenaina hahita fandrosoana ny firenena manana taranaka roa mifanome lamosina ny sehatra nitaizana azy. Raha mbola tsy miaina amin’ny azy ny Malagasy fa hisavika na handrambo ny an’ny hafa hatrany, ho mpivahiny eto amin’ny taniny izy.
HaRy Razafindrakoto