Corentin Martins : Lasa nitily ireo Malagasy mpilalao any ivelany

Herinandro androany no nahavoatendry an’i Corentin Da Silva Martins ho mpanazatra ny Barea de Madagascar. Taorian’izay, nijanona andro vitsy teto an-toerana izy ary nijery ireo fihaonana samihafa teny amin’ny Kianja Elgeco Plus, ny sabotsy lasa teo. Nitodi-doha any Frantsa ny lehilahy, omaly, ary hijery sy handresy lahatra ireo Mala­gasy mpilalao, any Eoropa sy ny manodidina, hanatevin-daharana ny Barea de Mada­gascar. Mbola manana herinandro vitsy ny tenany hitiliana azy ireo, mialoha ny hiverenany eto Madagasikara, hiatrehana ny fanomanana sy fampivondronana.
Efa maro ireo anarana mivezivezy “shortlist” any anaty tambajotran-tserasera sy heno amin’ireo teknisianina sasany, mety hisalotra ny akanjoban’ny Barea. Telo mirahalahy avy amin’ny klioba Stade Brestois 29, ligue 1 Frantsa. Anisan’ireny, i Gré­goire Coudert, mpiandry tsatoby sy i Jonas Serge Martin, irakiraka mpiaro ary i Romain Del Castillo, afaka mitana ny toeran’ny helatra havia sy havanana. Ankoatra azy ireo, i Adrien Hunou, lohalaharana ao amin’ny SCO Angers, ligue 1 France ihany koa. Mety ho anisan’ireo ny Stade Brestois 29, Ligue 1 ao Frantsa. Mety hitohy any Allemagne ity fijerena Malagasy mpilalao ity, ka anisan’ny hojeren’i Corentin i Kanto Fitiavana Voahariniaina (Bolo), milalao ao amin’ny Hertha 03 Zehlendorf.

Tompondaka

Partager sur: