Ala-safay !

 

Raikitra indray ny fotoana fambolena hazo eto amin’ny tanàna. Samy serintseriny avokoa ny mpiasam-bahoaka, eny anivon’ny minisitera sy ireo rantsamangaikany. Manao izay ho afany amin’ny fandrakofana ny vohitra, samy mikendry ilay famerenana an’i Madagasikara maitso. Dia rodorodo goavam-be tokoa anie no ataon’ny minisitera rehetra.
Milamina sy mipetrapetraka ery ny fanomanana, manohatra noho ireny asaramanitra goavam-be ireny. Tena mahavelombolo ny fiaraha-mientana sy ny firaisan-tsain’ny mpiara-miasa handeha hamonjy fambolen-kazo. Tena hoe tsy ho ela dia ho feno zana-kazo mitombo ny tanàna. Tsy miandry an-jatony taonany dia efa mba ho maitso mavana izay tadiavina.
Indrisy anefa! Mba mampisaina ihany ny mahita fa ny andron’ny fambolen-kazo ihany no nafana fo Ramalagasy. Zary fety tokoa ny ankamaroan’ny hetsika. Natao ho fialana ny toeram-piasana sy ho fitsangantsanganana fotsiny ihany. Mijanona ilay indray mandeha tsy miverina dia rava ny tsena. Tsy misy ny fanaraha-maso aorian’ny hetsika.
Taratry ny fomba fisainan-dRamalagasy amin’ny ankapobeny mihitsy io. Fomba ilay mafana fo am-boalohany. Rehefa mandeha ny mandeha, misy mivadi-belirano tampoka sy manary namana izany. Maty momoka hatrany izay mba tetikasa, na drafitra iarahana manatanteraka. Tsy mifidy sehatra fa saika ahitana izay fomba fiaina sy fomba fiasa izay ny ankamaroan’ny Malagasy.
Mila fandinihan-tena sy fahaizana mandrafitra matipaika ny zava-drehetra. Tsy mahazatra ny Malagasy anefa izany. Miankina amin’ny kisendrasedra ny ankamaroan’ny olona. Manao zara fa vita amin’izay hatao. Tsy mahagaga raha tsy misy ny vokatra. Samy miesona sy mijinja ny nataony eny. Simba ny toe-tsaina, hany ka mahita faisana noho ny fahazarana manao ala-safay!

r.r

Partager sur: