Muay Thai – Federasiona : Vonona hampivelatra ny taranja

Nankalazaina omaly ny Andro maneran-tany ho an’ny taranja Muay Thaï. Ho an’i Madagasikara manokana, mbola hisy ny fankalazana izany amin’ity volana ity. Nambaran’ny eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny Muay Thaï fa vonona izy ireo hiara-kiasa sy hampivelatra ny taranja. Tafiditra ao anatin’izany ny fanitarana ny taranja manerana ny Nosy, anisan’izany ny any amin’ny faritra Avaratra, izay hananganana ligy. Nanamafy izany ny Tale teknika nasionaly, Razanazatovo Gildas André. Nilazany fa tsy miady amin’iza na iza ary miantso fiaraha-miasa amin’ny rehetra izy. Miantso ireo klioba, “Maître de salle” ary indrindra ny DTN teo aloha, Rabenaivo Mamy, ny Maître Gildas, mba hifampiresaka. Ilaina ny fifanatonana mba ho tombontsoa sy fampandrosoana ny taranja Muay Thaï.
Manome fiofanana mpampiofana, eny amin’ny Dojo Betongolo, amin’izao fotoana izao, i Maître ho fampandrosoana sy ho fanapariahana hatrany ny taranja. Omeny fiofanana amin’izany koa ny Nak Mway teo aloha dia ny jeneraly Jaotiana Fernand. Ity farany izay hirotsaka ho kandidà hitantana ny ligin’i Diana, amin’ity taona ity. Ary izany indrindra no hanarahany fiofanana hahafahana mizara traikefa any amin’ iny faritra avaratra iny

Mi.Raz

Partager sur: