Efa eo am-pamaranana ireo pitsopitsony amin’ny fanatsarana ny Kianja Barea Mahamasina sisa ireo teknisianina. Andrasana afaka andro vitsy koa ireo inspecteur avy amin’ny Caf hijery ireo asa notakiny ka nasiam-panamboarana ary hiandrasana fankatoavana.
Nambaran’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, i Moustapha Marson, teny Ankorondrano, ny alakamisy lasa teo, fa andrasana amin’ity volana febroary ity ny fihavian’ireo inspecteur avy amin’ny Kaonfederasiona afrikanin’ny baolina kitra (Caf). Anton-diany eto ny hijery ireo asa nasiam-panamboarana ao amin’ny Kianja Mahamasina, izay notakiana, amin’ny hahazoana mampiantrano ireo lalao iraisam-pirenena.
Raha tsiahivina, anisan’ireo fepetra tsy maintsy arahina ny fametrahana ireo tohatra miala eo amin’ny gradin, mihazo ny kianja raha sendra misy loza.
Eo koa ny fametrahana “tourniquet” eo amin’ny vavahady fidirana hanisana ireo mpijery. Ny toerana ho an’ny mpanao gazety, izay tsy tokony hifangaro amin’ireo mpijery. Tsy maintsy nasiam-panitarana koa ireo efitrano fisoloana akanjo ho an’ireo mpilalao. Anisan’ny goavana indrindra ny kalitaon’ny bozaka filalaovana.
Efa tontosa hatrany amin’ny 90 isan-jato ny asa, raha ny fanambaran’ny minisitra ary efa eo am-pamaranana izany ireo teknisianina malagasy, ankehitriny.
“Misaotra ireo tomponandraikitry ny Caf ny tenako fa efa nanaiky izy ireo ny ho tonga eto Madagasikara hijery izany fotodrafitrasa izany. Efa misy ny daty amin’izany fa ny fihavian’izy ireo sisa andrasana”, hoy ny minisitra.
Manam-pinoana ny minisitra ny amin’ny hahazoan’ny Kianja Barea Mahamasina fankatoavana, noho ny ezaka natao tamin’ny fanatsarana ireo zavatra nangatahin’ny Caf ho atao. Tsiahivina fa tokony hatao eo Mahamasina ny fihaonana amin’i Ghana, eo amin’ny andro fahenina, hiadian-toerana ho an’ny “Mondial 2026”. Lalao hotanterahina ny 24 marsa 2025.
Tompondaka




