Rugby-Challenger Series : Miaraka i Hong-Kong, i Canada ary i Madagasikara

Notanterahina ny alakamisy lasa teo, tatsy Afrika Atsimo, ny antsapaka ho an’ireo firenena 12 hiatrika ny “Challenger series”, taranja rugby lalaovina olona fito, ho an’ny sokajy lehilahy. Fantatra fa ao amin’ny vondrona “D” ny Makis, miaraka amin’i Canada sy i Hong-Kong. Raha tsiahivina, hotanterahina ao Cape Town Afrika Atsimo, ny 26 marsa ka hatramin’ny 10 marsa ho avy izao, ity fifaninanana ity.
Marihina fa roa ihany ireo firenena afrikanina miatrika ny lalao dia i Madagasikara sy i Ouganda. Ry zareo Ogandey, ao amin’ny sokajy “C” miaraka amin’i Samoa sy i Bresil. Miaraka ao amin’ny “B” i Chili sy i Tonga ary i Portugal ary miray vondrona ao amin’ny “A”, ry zareo Rainiboto sy Japon ary i Georgie.
Tsiahivina fa hisy dingana roa ity fifaninanana ity. Ny voalohany hotanterahina ny 1 sy 2 marsa ho avy izao ary ny faharoa hatao ny 7 sy 8 marsa 2025. Miatrika ny dingana fahatelo hatao any Pologne ireo ekipa 8 voalohany. Fifanintsanana hatao ny 11 sy 12 avrily ho avy izao. Ny 4 voalohany tafavoaka eo indray no manao ny “Play-offs” hatao any Los Angeles, ny 3 sy 4 mey ho avy izao.

Tompondaka

Partager sur: