Hotanterahina ny 2 sy 3 mey, any Genève, ny « Forum économique du secteur privé Madagascar, terre d’opportunités » izay eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra sy ny minisiteran’ny Fizahantany sy ny asa tanana. Hetsika karakarain’ny Federasion’ny antenimieran’ny varotra sy ny indostria eto Madagasikara (FCCIM) sy ny Antenimieran’ny varotra sy indostria Genève-Antananarivo (CCIGA). « Tanjona ny hisian’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Malagasy mpandraharaha sy ny any ivelany amina sehatra marolafy, toy ny fizahantany, indostria, harena an-kibon’ny tany ary fambolena », hoy ny FCCIM.
Ankoatra ny hetsika, hisy ny fampihaonana sy fampifandraisana ireo samy mpandraharaha. Hasongadina manditra ny varotra fampirantiana ihany koa ny hatsaran’ny vokatra malagasy sy ny mampiavaka azy amin’ny hafa, hisarihana ireo mpampiasa vola vahiny. Araka izany, maherin’ny 100 ny mpandray anjara andrasana mandritra ity fihaonambe ity ka manana hatramin’ny 28 febroary hisoratana anarana izay liana.
Henintsoa H.