Mandresy miady

 

Ady amin’ny fahantrana? Izay no lehibe sy maika ary imasoana hatramin’izao. Efa elaela ihany izay… Mby aiza? Tsy hita be ihany. Toa vao mainka mihamihombo sy mitombo aza ny fahantrana. Midangana ny vidim-piainana, tsy mahafa-bela ny tsy fandriampahalemana… Manampy trotraka ny haintany, mitarika fahasahiranana amin’ny famokarana, famatsian-jiro sy rano… Inona koa? Marolafy ny fahahsahiranana, tsy hita hovisavisaina sy hotanisaina. Mby amin’ny hoe maika avokoa ny zava-drehetra. Inona no (h)atao? Na izay vahaolana mahomby, azo antoka, maharitra… Na ahoana na ahoana, tsy maintsy atrehina ny ady. Tsy misy ny resy tsy miady, fa tsy misy koa ny mandresy tsy miady. Tsy maintsy miady izany. Eo no raharaha….
Vitan’izay fanampiana ny ady amin’ny fahantrana? Ilaina ny fanampiana hialan’izay ampiana amin’ny fanam­piana lava. Tsy ho araka isan’andro mandavantaona, tsy hahahenika ny rehetra, tsy hahafa-po rahoviana na hahasehaka ny fahasahiranana… Dia ahoana àry? Izay miady no mandresy. Izay no iadiana. Tsy sarin’ady izany no atao, tsy kitsapatsapa fa tena ady. Izay tena fototry ny fahantrana no iadiana. Tsy endrika ivelany, tsy mandalo, tsy isehoana… Tsy hoe miady dia izay nefa tsy mandresy na tsy haharesy izay iadiana. Efa mba mihena ve, ohatra, ny fahantrana sy ny mahantra? Ny tsirairay sy ny rehetra no mahatsapa izay misy sy iainany. Mby aiza?
Izay miady no mandresy. Misy politika mazava ve izay atao? Eo amin’ny foto-kevitra, fandaharanasa, fomba fiasa, izay atao… Mamoaka olona toy inona, ohatra, ny ady: tena mpiady vonon-kandresy ka miady sa… ? Na sanatria miandry an’iza na inona fotsiny? Na mila hetsehina sy velomina ny aina aman-kery ao anaty: inona no azo atao sy mety ho vita? Tsy resy tsy miady, fa izay miady no mandresy.

R. Nd.

Partager sur: