Minisiteran’ny tanora sy fanatanjahantena: nanatanteraka fambolen-kazo teny Carion

Tsy nanadino ny adidy masina amin’ny fanatsarana ny tontolo iainana ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Nitarika izany ny minisitra Moustapha Abdulah Marson. Tanjona ny hahatonga an’i Madagasikara ho maitso.

Notontosaina ny sabotsy lasa teo, teny Carion, ny hetsika fambolen-kazo nokarakarain’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), niaraka tamin’ireo departemanta isan-tokony. Nitarika izany, ny minisitra Moustapha Abdulah Marson sy ny sekretera jeneraly ary ny talen’ny fanatanjahantena. Zana-kazo sy hazo fihinam-boa miisa 800 no nambolena teny an-toerana.
Nilaza ny minisitry ny Fanatanjahantena fa natao ho an’ny tanindrazana ny hetsika ary indrindra ho an’ireo tanora sy zanaka ary ireo solofo mpandimby aoriana. “Tanjona ny hamerenana indray an’i Madagasikara ho nosy maitso”, hoy ny minisitra Moustapha Abdulah Marson, nandritra ny tafa fohy tamin’ny mpanao gazety. Nomarihany fa hisy ny fanaraha-maso hatao amin’ireny zana-kazo nambolena ireny, ka izany dia hiarahana misalahy amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy (MED) ary ireo mpiasa eny Carion, miisa 40. Tanjona amin’ity tetikasa ity ny mba hahafantarana ny isan’ireo hazo velona sy hikarakarana azy tsara. Notsiahivin’ny minisitra, Moustapha Abdulah Marson, fa anisan’ireo mampiova ny toetrin’ny andro ankehitriny ny fahasimban’ny ala eto an-tanindrazana. Marihina fa hiparitaka manerana ny faritra ny hetsika fambolen-kazo toy izao. “Tsy manana tany hafa isika, fa antsika i Madagasikara. Andao harovana, andao kolokolointsika, andao hamboly hazo isika mba hahafahana mahatratra ny tanjona dia Madagasikara maitso, ka ho Malagasy miaro ny tontolo iainana”, araka ny fanentanana nataon’ny minisitra. Nofaranana tamin’ny fiarahana nanao Zumba sy fifaninanana nahazoana loka ary fiaraha-misakafo avy amin’ny minisitry ny Fanatanjahantena ny hetsika.

Fitia Randria

Partager sur: