PFL 2025: Resin’ny Inate FC Rouge ny CFFA

Nitohy ny sabotsy sy omaly, ny andro faharoa amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra na ny “Pureplay Football League” (PFL 2025), rehefa niato nandritra ny 2 volana. Anisan’ny lalao nandrasan’ny maro ny fihaonana teo amin’ny Inate FC Rouge sy ny CFFA Andoharanofotsy. Lalao notanterahina teny amin’ny kianja Elgeco Plus Stadium ny alahady teo. Resin’ny Inate FC Rouge, tamin’ny isa 2 no ho 0 ity ekipa anisan’ny sangany eto Analamanga ity. Tsy nampoizin’ny rehetra ny vokatra satria manantombo raha eo amin’ny zava-bita ny ekipan’Andoharanofotsy.
Raha hiverenana ny lalao, nifandanja ary tena niady tanteraka. Nahitana endri-dalao mahafinaritra sy teknika avo lenta teo amin’ireo mpilalao. Nanokatra ny isa i Santatra tamin’ny alalan’ny «coup franc», teo amin’ny minitra faha-67. Mbola nampian’i Faneva izany, teo amin’ny minitra faha-74.
Niezaka nitady hirika namonoana baolina ihany ny CFFA saingy tsara ny fiarovantenan’ny Inate FC Rouge, notarihin-dry Nanah sy Momoh ary Couly.
“Tsy hoe izahay no nahay fa tao amin’ireo mpilalao ny fahavononana ka nahazoana iny fandresena iny”, hoy i Hasina, filohan’ny Inate FC Rouge.

Tompondaka

Partager sur: