Hampitomboina 17 isan-kerinandro ny sidina ataon’ny kaompania Ethiopian Airlines mampitohy an’Antananarivo sy i Nosy Be, manomboka ny volana jona 2025. Hetsika ho fampiroboroboana ny sidina ataon’ny kaompania eto an-toerana hatramin’ny niverenany teto Madagasikara nanomboka ny taona 2022.
Hotanterahina ny 29 mey ka hatramin’ny 1 jona ny hetsika « Rallye VHR (Voiture Historique de Régularité) ». Handalo ny faritra Analamanga, Itasy sy Vakinakaratra ny hetsika ka anasana ny rehetra hanatrika izany. Ankoatra izay, nandray anjara tamin’ny « Salon Rétromobile » 2025 tao Paris Expo Porte de Versailles ihany koa i Madagasikara, ny 5 ka hatramin’ny 9 febroary teo.
6,60 tapitrisa amin’ireo mponina 32,4 tapitrisa eto Madagasikara no mampiasa interneto. Izany hoe, 20,4% monja raha oharina amin’ireo firenena hafa izay tafakatra hatrany amin’ny 79,6 %. Tarehimarika izay mametraka ny firenena eo amin’ny laharana faha-10 amin’ireo firenena maneran-tany ambany indrindra ny tahan’ny fampiasana interneto.
Hanome tanana amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana ny minisiteran’ny Fitsarana. Ity farany izay mitazona sy mitantana ny rejisitry ny varotra sy ny fikambanam-barotra. Mbola izy ihany koa no miantoka ny fangaharahan’ny orinasa ka mamela ny rehetra ahita ny toe-bola sy ny fitantanana ny orinasa rehetra.