Omena tombondahiny ny olona avy ao an-toerana amin’ny fandraisana ho mpiasan’ny tetikasa Base Toliara. Ampirisihina ny tanora hanaraka fiofanana.
Ela niandrasana! Anisan’ ny tena nandrandrain’ny mponina any an-toerana, hatry ny ela, ny hampidirana azy ireo ho anisan’ny mpiasa ao amin’ny orinasa Base Toliara. Koa, zava-dehibe tokoa ny fanazavana natao ny 8 febroary teo, tamin’ny mpanao gazety, mba hamantaran’ny mpisehatra rehetra ny zava-misy. Fantatra fa efa nanomboka ny fandraisana mpiasa. Mandeha tsikelikely ny fiantsoana ny orinasa liana ho an’ny dingan’ny fanorenana ny fotodrafitrasa.
Miisa 2 000 ny mpiasa horaisin’ny Base Toliara amin’ity dingana voalohany ity, miompana amin’ny sehatra maro samihafa. Toy ny fampianarana mamaky teny sy manoratra, ny fananganan-trano sy ny fanorenana (rafi-trano, fikojakojana, fampidirana herinaratra, mekanika, rafi-by, mahakasika ny harena ambanin’ny tany, …). Omena tombondahiny ny mponina any ifotony, indrindra ny avy ao amin’ny kaominina Toliara I, Belalanda, Tsianisiha, Maromiandra ary Ankilimalinike.
Tena ilaina ny fiofanana
Hanomboka afaka iray volana, fara fahatarany, ny fisoratana anarana ho an’ny fampiofanana.
Nomarihin’ny talen’ny fifandraisana ivelany ao amin’ny Base, i Mahafaritsy Samuel, fa «nitaraina ny mponina satria tsy mba afaka niasa tamin’ny orinasa amin’ny harena an-kibon’ny tany efa nitsangana. Izay no mahatonga anay hampirisika ny tanora hisoratra anarana amin’ny fiofanana. Ilaina izany, satria tsy mbola firenena mpisehatra amin’ny harena ambanin’ny tany i Madagasikara, fa zatra fambolena sy fiompiana».
Rehefa tsy misy ny olona ao an-toerana manana ny fahaizana takina, vao mitady ao amin’ny distrika, na faritra, na nasionaly ary farany vao ny iraisam-pirenena ny orinasa.
Njaka Andriantefiarinesy