Claudine Nomenjanahary : Nahazo medaly volamena teo amin’ny hazakazaka 60 m

Lasan’ilay Malagasy, i Claudine Nomenjanahary, ny tompondakan’i Frantsa, teo amin’ny atletisma fanao anaty efitrano, tamin’ny sabotsy lasa teo. Norombahiny ny medaly volamena teo amin’ny 60 m.

Norombahin’ny Malagasy atleta, ao amin’ny club Stade Sottevillais 76, ny medaly vo­la­mena sy ny anarana maha tompondakan’i Frantsa, eo amin’ny halavirana 60 m. Ha­za­kazaka fanao anaty efitrano, notanterahina ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny stadium Metropolitain Pierre Quinon. Tontosany tao anatin’ny fe-potoana 7 s 31% io halavirana io.
Tonga taoriany, ilay gaboney, i Moulin Pierrick Linda, izay nahavita izany, tamin’ny 7 s 38% ary fahatelo ilay kongoley, i Ngoye Akamari Natacha, 7 s 42% ny azy. Marihina fa iray klioba amin’i Claudine izy. “Efa tao anatin’ny tanjoko hatramin’ny ela ny handrombahako ity amboara ity. Mafy ny fifaninanana saingy efa tao anatiko ny fahavononana handrombaka fandresena“, hoy i Claudine.
Tsiahivina fa nanomboka tany amin’ny fifanintsanana ka hatreo amin’ny famaranana, nitana ny laharana voalohany hatrany ny tovovavy. Nandritra ny manasa-dalana, 7 s 39% ny nahavitany izany ka nahazoany ny tapakila hiakarana eo amin’ny famaranana.
Tsy vao izao akory i Claudine no nametraka tantara ho an’ny atletisma malagasy fa efa hatramin’izay. Ani­san’izany, ny nandrombahany ny medaly volamena tamin’ny “Lalaon’ny Nosy 2023”, notanterahina teto Madagasikara.
Ny volana desambra 2024, efa niatrika ny fiadiana ny ho tompondakam-paritra tany Normandie France ihany koa ny tenany, ka ny 60 m amin’ny hazakazaka fanao anaty efitrano hatrany no nifaninanany, izay nahitana ireo andrarezina frantsay, ka nahavitany izany tao anatin’ny 7 s 39 %.
Tsiahivina fa efa atleta niofana tao amin’ny ivontoerana iraisam-pirenena any Senegal i Claudine, mialoha ny nandehanany tany France.

Tompondaka

Partager sur: