TARATRY ny KANTO

Hisy velakevitra roa, iarahana amin’ireo mpanoratra sy poeta, ao amin’ny Faribolana Sandratra, anio. “Ny forona, mafy orina” ny lohahevitra voalohany, hofakafakain’i Mero Kosiky. “Ny forona sy ny mpamorona kosa ny faharoa”, hoentin’i Andriniela. Ao amin’ny efitrano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy ireo, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany.

Tsy raikitra ilay “Revy Lôlô sy ny tariny”, saika hatao any amin’ny Gasy ECT Mahajanga, ny zoma izao. Naneho fialantsiny ry Benny, Bebey ary Nini ka nanambara fa hahemotra amin’ny fotoana manaraka izany. Manome fotoana ireo mpankafy eto Antananarivo kosa izy ireo ny sabotsy 15 febroary, ao amin’ny Oxygen, Immeuble Centell Antanimena.

“Ikaloy fitiavana, ny tenindrazantsika”. Dini­dinika sy fifampizarana antsa sy tononkalo amin’ny teny malagasy izy ity, izay hatao eny amin’ny Kianja Masoandro, ao Anatirova, ny sabotsy 15 febroary izao, manomboka amin’ny 10 ora sy sasany. Hizara ny talentany mandritra izany i Rima sy i Tsiahy Andrianina. Tafiditra sahady anatin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny ny hetsika.

Majestic Lion, etsy amin’ny No Comment Bar Isoraka. Mitodika amin’ireo mpankafy manokana ny gadona reggae indray ny anio manomboka amin’ny 8 ora sy sasany alina. Hitondra an-tsehatra ireo sanganasany ny tarika Majestic Lion. Mazava hoazy fa hamerina ireo hira reggae malaza maneran-tany ary tsy lefin’ny vanim-potoana ihany koa izy ireo.

Partager sur: