10 andro tsy higadonan’ny dingana faran’ny fifanintsanana hahazoana ny tapakilan’ny “Afrobasket 2025”, mihamafy ny fanomanantenan’ny ekipa malagasy, Ankoay lehilahy.
Mahakasika ireo mpilalao milaravinahitra, efa misy tonga eto an-toerana, anisan’izany Razanamahenina Kiady sy Rabibisoa Jerry Pépin ary i Lahotan Rija. Tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity no tonga teto i Jerry raha vao omaly no nigadona teto i Kiady sy i Rija, raha ny vaovao voaray. Avy hatrany dia namonjy ny namany eny amin’ny Cnaps Vontovorona izy roa lahy ireto hiatrika ny fampivondronana. Miantso ny fanohanan’ny Malagasy i Kiady. Nanambara ny Malagasy mpilalao, Razanamahenina Kiady, fa hery lehibe ho azy ireo ny fanohanan’ny mpijery mandritra io telo andro io. Naneho ny heviny ihany koa izy mahakasika ireo ekipa mpifanandrina amin’ny Malagasy. I Côte d’Ivoire, hoy i Kiady, no ekipa mafy, misy mpilalao manana ny maha izy azy. Tokony tsy maintsy handresy an’i Centrafrique kosa anefa ny Ankoay raha te hahazo ny tapakila. Azon’ny Ankoay atao tsara ny maka fandresena manoloana an’io firenena io. Tsiahivina, ny 21, 22 ary 23 febroary no hanatanterahina ny fifaninanana, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Manoman-tena eny Vontovorona sy eny Mahamasina kosa hatramin’ny herinandro izao ireo mpilalao.
Mi.Raz