“World Cola PFL”: Ao anatin’ny heriny ny AS Fanalamanga

Tontosa nandritra ny faran’ny herinandro teo ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “World Pureplay Football League (PFL)”. Ny ekipan’ny AS Fanalamanga no mitarika vonjimaika amin’ity fifaninanam-pirenena ity, satria izy ireo hatrany no nahazo fandresena, roa tao anatin’ny lalao roa izay natao. Raha hiverenana ny vokatra azon’izy ireo farany, nandresy ny Mama FC, tamin’ny isa 1 no ho 0, ity klioba ity, ny alahady teo, tany Ambatondrazaka.
Azo lazaina, araka izany, fa nahomby ny paikady napetraky ny mpanazatra ny Fana­lamanga vaovao, Rabeha­risoa Herimanitra na Coach Heribe. Tsiahivina fa efa ni­tondra ny CFFA Andoharano­fotsy ity teknisianina ity teo aloha ary anisan’ny tena mampiavaka azy ny endri-panafihana tsotra sy mahomby kokoa.
Araka ny resaka nifanaovana tamin’ireo mpitantana ny AS Fanalamanga, manana tanjona goavana izy ireo, amin’ity taona ity, dia ny ho tompondakan’i Madagasikara, ary hiatrika ny fifanintsanana afrikanina “Ligue des Champions Caf”. Ampahafantarina ihany fa ny taona 2023, tompondaka lefitry ny fifanintsanam-pirenena ny AS Fanalamanga.

Fitia Randria

Partager sur: