SOMBIM-BAOVAO

Hisy ny ady moraingy goavana hatao eto Antananarivo, eny amin’ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina, ny 6 avrily ho avy izao, taranja anisan’ny manavanana ny Malagasy, kanefa tsy dia henoheno. Maromaro ny mikarakara ity hetsika ity, ahitana ny Maître Thierry (Boire Noire), Koezy, Tombon’ondry Somany, Sambirano, Pride Gasy, Zokibe Rossy sy ny maro hafa.

Araka ny vaovao voaray, ny ekipan’ny GNVB sy ny Squad-X hatreto no fantatra fa hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny amboaran’ny klioba tompondaka eto amin’ny faritra faha-7, taranja volley-ball. Fifaninanana hatao ny 1 hatramin’ny 3 marsa izao, any Maorisy. Tsy mbola nandrenesana vaovao kosa ireo klioba hafa.

Roa volana izay no lasa, enim-bolana eo sisa ny fetr’andro miandry ny orinasa tomponandraikitra amin’ny fikarakarana ilay ivontoerana etsy Carion. Araka ny tazana eny an-toerana, efa mizotra tsara ny asa rehetra. Tsiahivina fa ity tetikasa ity dia novatsian’ny Fifa, mba hananan’ny Malagasy ivontoeram-piofanana amin’ny baolina kitra.

Tontosa nanomboka afakomaly, tany Cameroun, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja badminton. Mpilalao tokana ihany no miaro ny voninahi-pirenena malagasy amin’izany. Tsara ny mampahatsiahy fa lehibe tokoa ity lalao ity, hisy ny isa azo ahafahana mijery ny “ranking” hiatrehina ny lalao Olympika.

Partager sur: