Miisa 10 000 ny zana-kazo honko nambolena, tamina velaran-tany 5 ha, tany Antalaha, fokontany Ambalavontaka, kaominina Ankatafana, distrika Manajary, ny 6 febroary teo. Manamorona ny Lakandranon’i Pangalana ity toerana ity, ka nampifandrifiana ny fanokafana ny fotoam-pambolen-kazo 2025 ho an’ny faritra Vatovavy, sady fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny faritra mando rahateo.
Nitsidika tany Bongolava, ny SG ny COI, ny alatsinainy teo. Hitan’ny maso ny fizotry ny tetikasa Sanoi, vatsian’ny Vondrona eoropeanina (UE) ara-bola, ary tantanin’ny Vondron’ny ranomasimbe Indiana (COI). Miompana amin’ny fanajariana ny sakafo, ny fiarovana ny tontolo iainana, ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza ny tetikasa. Notsidihina manokana ny vala fampiharana ny teknika agroekolojika, hisian’ny fambolena maharitra.
Miisa 25 000 ny tanora ho avy eto Madagasikara, hanatrika ny Fihaonamben’ny tanora afrikana mahakasika ny Toekarena manga. Hatao any Toliara, ny 17-19 avrily 2025, ny hetsika. Mifanandrify amin’ny « Youth Connekt Africa » io fotoana io, izay eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fantanjahantena. Manampy amin’ny fanatanterahana ireo hetsika iraisam-pirenena roa lehibe ireo ny Pnud.