INDRAY MIJERY

Hahazo vahana ny oram-pahavaratra manerana ny Nosy, amin’ity herinandro ity. Mety hanantombo kokoa izany ho an’ny tapany atsimon’ny atitany, manomboka anio, ho an’ny tapany atsimon’Analamanga, ny distrika Anosibe an’Ala, Marolambo, Ifanadiana, ny ilany atsinanan’ny faritra Vakinankaratra, Amoron’i Mania ary Matsiatra Ambony.
Hisy fanamafisana ny fahaiza-manao ho an’ireo fitaleavana isam-paritra. Santionany amin’izany ny traikefa amin’ny fanaraha-maso ny sisintany, izay hotanterahina any Antsirabe, araka ny fampitam-baovao nataon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka nandritra ny fananganan-tsaina.
Mpiray ombona antoka amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny Foiben’ny fiaraha-miasa momba ny fikarohana ho an’ny fambolena hitondra fampandrosoana (Cirad). Misy ny tetikasa iarahana ho an’ireo Nosy aty amin’ny ranomasimbe Indianina ho fampandrosoana ny fikarohana momba ny fambolena sy ny fiofanana. Mifototra amin’ny fambolena sy ny fahasalamana ary ny tontolo iainana ny fikarohana sy ny haivao.
Olona 30 no hiasa amin’ny fanadiovana ny Canal GR, mandalo eny amin’ny fokontany An­drefan’Ankadimbahoaka, Anosizato Atsinanana I sy II, Ivolaniray, Anosibe Angarangarana, ka hatreny Ilanivato Ampasika. Asa tanamaro (Himo), izay nanomboka ny ala­tsinainy teo no hanatanterahina ny fanadiovana. Ha­haritra 7 andro ny asa, hiarahan’ny CUA sy ny BNGRC.

Partager sur: