Erikerika!

 

Ny erikerika mahatondra-drano, hoy ny fiteny mahazatrany Malagasy. Mody mitsitaitaika izany ny vokatry ny ketrika tarihin’ny filohan’ny Repoblika any ivelany any. Mahery vaika ny adisisika. Tonga tsikelikely ny tompom-bola hiasa aty Madagasikara. Isaky ny mivoaka dia mibaribary fa manan-talenta amin’ny resaka diplaomasia avo lenta sy ahitam-bokany ny Filoha.
Tsy sanatrian’ny vava, fandokafana be fahatany. Sintona lakolosy izany mba hifanentanana amin’ny samy tomponandraikitra eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Ilaina ny fahatsapan-tena mba hifanampiana sy hifandrombonana ho an’ity Madagasikara malalantsika ity. Tsy hiandrasana ny filohan’ny Repoblika avokoa izay miseho rehetra.
Anatin’ny vanim-potoana fanamafisana ny tanjaky ny fanjakana manoloana ny fanamby takin’ny fiarahamonina isika. Izao no tena ilana ilay teny “Firaisankina” anatin’ilay minisitera iray izay. Tsy mijanona amin’ity kitolotolotra sy fanomezana amin’ny hamehana. Tokony hisy ny fijerena ny mahakasika ilay soatoavina fa tsy miditra amin’ny fifanipazana hoditra akondro.
Zavatra mahavariana amin’izao fotoana izao. Maro ny olona mitazam-potsiny na misy aza ny tokony ho fifanomezan-tanana. Ny sasany mitazana fotsiny raha tokony ho mpiantsehatra aza. Na misy aza ny azony hatao dia mivadika, na izy mpanakiana be fahatany, na izy ilay sakaiza manody.
Mila olona tsara sitrapo sy resy lahatra amin’ny fitiavan-tanindrazana anefa i Madagasikara. Tokony ho sahy hitondra izay anjara biriky kely azony atao. Tsy tokony hifamotika amin’ny zavatra azo sorohina fa hifanome tanana amin’izay afaka hifanampiana ho an’ny mpiray tanindrazana. Tsy misy hoe ho avotra anaty fotoana fohy i Madagasikara fa ny erikerika mahatondra-drano.

r.r

Partager sur: