Arabe migodana : Hamatsy vola ny tapany faharoa ny Badea

Misy sahady ny vokatra, nandritra ny dian’ny filoha Rajoelina Andry any Dubai, nanatrika ny fivoriambe WGS 2025. Nankasitrahin’ny filo­han’ny Banky arabo ho an’ny fampandrosoana –Badea, i Sidi Ould Tah, ny tetikasan’ny filoha Rajoelina Andry, ha­nam­boatra arabe migodana, mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina. Nambarany, fa fotodrafitrasa goavana hanova ny firenena malagasy ity te­tikasa ity. Koa, vonona hama­tsy vola ny fanatanterahana ny tapany faharoa ny Badea. Marihina, fa miainga eto Antananarivo hatrany Anjozo­robe ny ampahany voalohany, efa ataon’ny orinasa egyptiana, Samcrete. Manomboka eo Anjozorobe hatrany Toama­sina kosa ny ampahany faharoa.
Tetikasa hafa
Ankoatra izany, vonona hanohana an’i Madagasikara amin’ireo tetikasa laharam-pahamehana ihany koa ny Badea. Tafiditra ao anatin’izany ny famokarana angovo azo avy amin’ny tohodrano sy ny herin’ ny masoandro. Tsiahi­vi­na, fa efa misy ny tetikasa iarahan’ny firenena malagasy sy ity vondrona ity, toy ny fa­namboarana ny ampahany amin’ny lalam-pirenena RN5, mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy i Vohibe. Tafiditra ao anatin’ny vinan’ny filoha Rajoelina Andry « Lalan’ ny masoandro » (Route du Soleil) ity tetikasa ity, miainga any Ambi­lobe, Vohemar, …, Soa­niera­­na Ivongo, Toama­sina, …, Mananjary, hatrany Taolag­naro.

Njaka A.

Partager sur: