Hotanterahina ny 1 marsa ny “Tropic Awards 2025”. Hetsika hanomezana loka an’ireo mpanentana (influenceurs) eo amin’ny sehatry ny fizahantany sy ny sakafo. Manome lanja ny vokatra malagasy sy mampahafantatra an’i Madagasikara eto an-toerana sy any ivelany ireto mpisehatra ireto hampiroboroboana ny seha-pihariana.
Nankatoavina ny fomba fanao tsara amin’ny fambolena kafe sy jirofo. Voakasik’izany ny faritra Fitovinany, anisan’ny tena mamboly ireo karazam-boly roa ireo. Nisy ny boky torolalana mirakitra izany, izay hanampy betsaka ny tantsaha mpamboly, hanatsarana ny kalitaon’ny kafe sy ny jirofo.
Natao ny 11 febroary teo ny tatitry ny fandraisan’anjaran’i Madagasikara ny COP 16. Fivoriambe iraisam-pirenena natao ny desambra 2024 teo, tany Ryad. Anisan’ny nanamarika manokana ny fisian’ny Pavillon Madagasikara, sy ny adisisika nikarohana famatsiam-bola ho an’ny tetikasa hiadiana amin’ny fahangazan’ny tany sy ny haintany.
Mipaka mivantana any amin’ny tantsaha ny tombontsoa avy amin’ny fisitrahany ny vary safiotra. Hampitombo ny vokatra azo izany ka hampiakatra ny fari-piainan’ireo mpamboly. Hihena ihany koa ny vary hafaran’i Madagasikara vantany vao mamokatra ny tsantsaha. Tanjona ny hamerina ny Nosy ho sompitry ny ranomasimbe Indianina.