Efa eto an-toerana ireo iraky ny Kaonfederasiona afrikanina (Caf), hijery sy hanara-maso ny kianja Barea Mahamasina. Niasa avy hatrany izy ireo omaly, nitsidika ireo zavatra rehetra notakin’ny Caf.
Tonga nitsidika sy nanara-maso ny fanatsarana ny kianja Barea Mahamasina, omaly, ny “Inspecteur” roa lahy avy amin’ny Caf, i Diabete Zakarihya, sy i Craig Ian William. Raha ny vaovao voaray, haharitra hatramin’ny zoma eo ity fitsidihana hataon’izy mirahalahy eto Madagasikara ity. Tsiahivina fa ny fanjakana, efa niezaka nanatontosa ireo teboka valo notakin’ny mpitantana ny baolina kitra afrikanina, mba hahafahan’io kianja io mahazo fankatoavana.
Anisan’izany ireo tornikey eny am-bavahady, ny fanavahana ny toeran’ireo olo-manan-kaja “VIP”, ny toeran’ny mpanao gazety, ny fanavaozana ny bozaka sy ny “gradins”, ny fampivelarana ny efitrano fiomanana ho an’ireo mpilalao. Aorian’ity fitsidihana ataon’ny Caf ity, hifantoka any amin’ny valiny izany avokoa ny sain’ny mpankafy baolina kitra.
Raha mahazo fankatoavana ny kianja, afaka ampiantrano ireo lalao iraisam-pirenena amin’izay ny ekipa nasionaly malagasy, Barea de Madagascar.
Akaiky indrindra amin’izany ny fifanandrinana amin’i Ghana, izay hotanterahina ny volana marsa ho avy izao. Lalao izay tafiditra amin’ny ady tapakila hiatrehina ny “Mondial 2026”, hatao any Meksika sy Etazonia.
Miandry ilay mpanazatra mpanampy
Efa fantatra fa i Corentin Martins, frantsay, no mpanazatra ny Barea de Madagascar. Miezaka mitily sy mandresy lahatra ireo Malagasy mpilaravinahitra ny tenany, ankehitriny. Mbola tsy mivoaka kosa nefa ny anaran’ilay Malagasy teknisianina, izay hanampy an’ity mpanazatra Barea ity. Tsara ny mampahatsiahy fa herintaona ihany no fifanarahan’ny Federasiona Malagasin’ny baolina kitra (FMF) sy i Corentin Martins.
F.R