Hatao ny 13 sy 14 ary 15 jona 2025 ho avy izao, any Amboasary Atsimo, faritra Androy, ny andiany voalohany amin’ny “Festival Caméléon Madagasikara”. Omena tombondahiny ny karazana tanalahy eto amintsika. Mikarakara azy ny fikambanana ONG Caméléon Madagasikara, eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Jono sy ny fampandrosoana ny toekarena manga (MPEB), sy ny ao amin’ny Tontolo iainana (Medd) ary ny Fizahantany sy asa tanana (MTA), miaraka amin’ny mpiara-miombona antoka maro.
Homen-danja ny lafiny tontolo iainana, satria manana karazan-javamananaina miavaka any an-toerana. Anisan’ny misongadina ny tanalahy, satria ahitana karazany 98 eto amintsika, ka ny 42% ny tanalahy maneran-tany dia tsy fahita raha tsy eto Madagasikara. Tafiditra ao anatin’ireo ny karazany any amin’ny faritra Androy.
Eo koa, ny kolontsaina sy ny asa tanana, satria manana ny maha izy azy ny foko Antandroy. Manampy ireo ny fizahantany ahalalana ireo toerana samihafa azo tsidihina, toy ny valanjavaboahary Berenty, ahitana ny biby sy zavamaniry mampiavaka ny any atsimon’ny Nosy, sy ny farihin’Anony, sns. Miavaka koa ny taozavatra ataon’ny mponina any, amin’ny alalan’ireo akora fototra voajanahary any an-toerana, vita amin’ny taretra, ny hoditr’omby na ondry na osy, sns.
Miaraka ankalazaina amin’ireo fotoana ireo koa ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fiainana dia (vie sauvage).
Njaka A.