Mampahafantatra ny Sampandraharahan’ny ladoany fa misy ny tranga fisolokiana ataon’ny olona sasany. Misoloky mitondra ny anaran’ny Fadintseranana izy ireny any amin’ny tambajotra sosialy, milaza fa mikarakara lavanty fiara, ary mangataka 1 tapitrisa Ar. Tsy tompon’antoka amin’izany ny ladoany, ary tsy misy izany sara-pisoratana anarana izany.
Anatin’ny fanadihadiana tanteraka mahakasika ireo trondro maty hita ao Ramena-Antsiranana, ny minisiteran’ny Jono sy ny toekarena manga, ankehitriny. Fantatra fa ireo karazan-trondro mihinana ahidrano ireo hita faty ireo. Petra-kevitra ny fisian’ny loto any an-dranomasina sy ny fanapahana ireo ahidrano ka nahatonga ny fahafatesan’ireo trondro.
Voatendry ho filohan’ny Filankevitra iraisam-pirenena ny “ODD 15”, ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), i Max Andonirina Fontaine. Hisahana ny sokajy « fiainana an-tany » ny tenany. Minisitra miisa 18 sy tomponandraikitra ambony 17 any Emirats Arabo no miara-mikaondoha hanatrarana ny ODD maneran-tany.
Efa hita eny amin’ireo renivohi-paritany ny vary nafarana amidy 750 Ar. Na izany, mbola miara-mientana hatrany ireo mpisehatra samihafa hisitrahan’ny rehetra ny vokatra. Midina 200Ar isan-kilao ihany koa ny vidin’ny vokatra avy eto an-toerana. Samy miandrandra ny fidinan’ny vidin’entana ilaina andavanandro ny tokantrano handrindrany ny fitantanana.