Notontosaina omaly, tany Egypte, ny antsapaka amin’ny andiany voalohany hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra, lalaovina anaty efitrano na “futsal” sokajy Sénior, vehivavy. Anisan’ireo mandray anjara amin’izany i Madagasikara. Fantatra ary fa ao amin’ny vondrona “C” ny Barea, miaraka amin’ny Lionan’i Teranga an’i Sénégal sy i Tanzanie.
Miisa 9 ireo firenena hiady lohany amin’ity ka anisan’ireo i Maroc, mpampiantrano. Miampy an’i Angola, Cameroun, Egypta, Guinée, Madagasikara, Namibie, Sénégal ary Tanzanie. Nozaraina ao anaty sokajy telo ireo firenena ireo ka mifandimby mihaona. Tafita amin’ny manasa-dalana ireo voalohany isam-bondrona miampy ny firenena iray faharoa tsara toerana indrindra. Hotanterahina any Maroc, ny 22 ka hatramin’ny 30 marsa ho avy izao, ity “Can futsal, vehivavy” ity. Ho fanomanan’ny Malagasy izany, hisy ny fifaninanam-pirenena hatao atsy ho atsy hitiliana izay handrafitra ny Barea de Madagascar.
Tompondaka
Sokajy “A” : Maroc, Cameroun, Namibie
Sokajy “B” : Angola, Egypte, Guinéé
Sokajy “C”: Madagasikara, Tanzanie, Cameroun