Nanatanteraka ny adidy fambolen-kazo 2024-2025 ny fianakaviamben’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny harena stratejika (MMRS), omaly. Teny Tsiakarana, fokontany Antanimenabe, kaominina Masindray, ny toerana nanatontosana izany, notarihin’ny minisitra Rakotomalalala Herindrainy Olivier. Lohahevitra noraisina amin’izany « ny ala antoky ny rano sy ny angovo ». Miisa 5 000 ny zana-kazo novolena, tamin’ny velaran-tany 2 ha, ka 1 000 isanisany, nahitana Acacia, Robusta, eucalyptus citriodora, frêne ary voandelaka. Natolotry ny MMRS ho fambolen-kazo karakarain’ny Omnis ity toerana ity.
Navoitran’ny minisitra Rakotomalala Herindrainy, fa «mitana anjara toerana manokana ny fitandroana sy fanarenana ny lafiny tontolo iainana ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Miainga any amin’ny dingan’ny fikarohana hatrany amin’ny aorian’ny asa fitrandrahana». Nentaniny ny olom-pirenena tsirairay hamita ny adidy handrakofana ala an’i Madagasikara. Eo koa ny fikajiana ny tontolo iainana sy ny ady hiatrehina ny fiovan’ny toetr’andro, mba hamelana lova tsara ho an’ny taranaka.
Njaka A.