VAOVAO TAMBATRA

Mitaky ny hanamafisana ny fiarovana ny indostria eto an-toerana ny Sim manoloana ny tombana vaovao momba ny politika ara-barotra eto Madagasikara, nanomboka ny alarobia teo. Tanjona ny hiarovana ny tsena eto an-toerana manoloana ny fifaninanana. Mbola sarotra ho an’ny indostria ny manondrana ny vokatra any ivelany manoloana ny faharatsian’ireo fotodrafitrasa samihafa eto amintsika.
Karohina ny lehilahy maromaro misandoka ho mpiasan’ny Jirama. Milaza fa hitsirika kaontera izy ireo ary mitaky vola. Tsy maintsy mampiseho « bagde» sy fanomezan-dalana hanao iraka ny mpiasan’ny Jirama tonga eny amin’ny isan-tokantrano manatanteraka ny asa. Aoka hampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany izay sendra ireny mpisoloky ireny.
Mitotaly 1 231 357 ny isan’ny olona nandeha fiaramanidina teto Madagasikara tamin’ny taon-dasa. Miisa 583 528 tamin’ireo no nandray ny sidina taty amin’ny manodidina ny Nosy. Mpandeha ny sidina anatiny kosa ny 368 622 raha 279 207 monja ireo nandray ny sidina iraisam-pirenena.
Mitotongana indray ny vola malagasy. Omaly, nisanda 4 857,70 Ar ny euro iray raha toa ka tafidina hatrany amin’ny 4 777,24 Ar izany ny 04 febroary teo. Miakatra ihany koa ny sandan’ny dolara, 4 708,52 Ar, omaly, raha oharina ny sandany tamin’ny 31 janoary izay nidina hatrany amin’ny 4 672,15 Ar.

Partager sur: