Tontosa omaly, tany Aix-en-Provence France, ny antsapaka amin’ny famaranana lehibe taranja tsipy kanetibe, « Passion pétanque française (PPF 2025) ». Nozaraina ao anaty vondrona efatra ireo ekipa 16. Fantatra fa tafaraka ao amin’ny vondrona faharoa ny ekipa misy ireo frantsay, i Dylan Rocher sy ny an’i Quintais ary i Montoro, sy ny ekipa malagasy faharoa, misy an’i Racle sy i Nanou ary i Tselonina. Ambaran’ny rehetra fa sokajin’ny fahafatesana izy ity.
Ny ekipa malagasy voalohany, ahitana an’i Zigle sy i Tiana kely ary i Baloty kosa ao amin’ny sokajy fahefatra, misy ny ekipan’i Petit-Jean ary i Monros sy i Santini. Tsiahivina fa hanomboka anio, ao amin’ny Kianja Aix-en-Provence, izany ka hifanintsana ireo ekipa 4 ao anaty vondrona. Tafita amin’ny ampahefa-dalana izay mahazo fandresena roa. Manao lalao sakana miady ny toerana faharoa, ireo ekipa resy. Tontosaina anio folakandro ny dingana ampahefa-dalana ary rahampitso alahady ny manasa-dalana sy ny famaranana. Andrasan’ny rehetra fatratra ny fifanandrinana eo amin’i Rocher sy i Racle, izay samy niatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2024 teo.
Tompondaka