Samy manana ny fanehoany azy ny fandraisana andraikitra. Ao ny mandray izany ho antoky ny fahombiazan’ny asa ka tsy azo anaovana rainazy. Ny an’ny hafa kosa hisehosehoana sy hankalazana tena. Mahavariana fa ireo miasa mangina dia toy ny miasa jamba rafozana, tsy misy mahita.
Ireo miasa sy mizahozaho kosa toa midera tena toa vorontsiloza ka mikorefarefa tsy ankizivavy, miambozom-boahangy tsy renin-jaza. Midoboka amponga tsy mamadi-drazana, manao akora lava tsy mampiady ombalahy. Tonga namana vao mpaka lelo, tonga rafozana vao tia betrobetroka. Raha eo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena, miandry tranga tsara miseho izy ireny vao miaka-tsehatra. Io ilay antsoin’ny mpijery hoe: mijapy masinina na tsy miborosy soavaly be tongotra.
Tsy roa tsy telo izy ireny fa vitsivitsy maromaro. Tsy tazana raha ao anatin’ny sarotra, ary tsy hita amin’ny fotoana hitadiavam-bahaolana fa ny mamendrofendro aza no tena talentany ankoatra ny fisehosehoana. Vokany, mifanaratsy sy mifanipaka tahaka ny valala an-karona satria samy te ho lohany tahaka ny vazaha 7 an-trano.
Ny miasa mangina, toy ny hazo mahitsy tsy hita tsy anaty ala. Miadana nefa tsy tara, haingana nefa tsy tra-doza. Toy ny nify sy molotra ny olona tia deradera sy ny manetri-tena. Izay mahery setra no banga mialoha fa ny malemy paika no tratra am-parany. Matetika ny olona tia deradera mahavita manaratsy ny namana sy ny mpiara-miasa mba hanasongadinany ny tenany. Amin’ny fanatanjahantena, ny tia sehoseho, maty an-keriny tahaka ny famaky ary botrin’ny ataony toy ny fanoto. Ombalahy mifaoka an-tanimainty ka maintin’ny ataony, Koa aza miebo tena toa vorontsiloza.
Tompondaka