Notontosaina ny faran’ny herinandro teo ny andro fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra “World Cola-PFL”. Anisan’ny lalao tena nandrasan’ny maro sy noheverina ho toy ny famaranana ny fifanandrinan’ny AS Fanalamanga sy ny Elgeco Plus Analamanga, natao tany Ambatondrazaka, omaly. Nisaraka ady sahala, 0 no ho 0 tsy misy nitoko, ny klioba roa tonta.
Raha hiverenana kely ny fifanandrinana, niady tanteraka ny fihaonana, nifandimbiasana ny fifanafihana, saingy nanindry tamin’ny fitazomam-baolina ry zareo Fanalamanga, mpampiantrano. Dimy minitra nanombohan’ny fizaram-potoana voalohany, saika nahatafiditra baolina i Jean Yves, lohalaharan’ny Elgeco Plus, fa nidona tamin’ny tsivalamby ny baolina nodakany.
Maro ihany koa ireo baolina navotan’i Narovana, mpiandry haraton’ny klioban’ Analamanga. Araka ny loharanom-baovao iray avy eo anivon’ity ekipa eto an-dRenivohitra ity, hifindra klioba atsy La Réunion i Nina, ka i Narovana no heverina handimby ny toerany.
Ankoatra izay, hahemotra amin’ny andro tsy mbola voafaritra ny lalaon’ny Mama FC sy ny FC Rouge. Voatery natsahatra teo amin’ny minitra faha-17 izany, noho ny orana ka naha dibo-drano ny kianja, hany ka tsy afaka nilalaovana intsony.
Fitia Randria
Voka-dalao rehetra
AS Ste Anne (0) – (1) CFFA
Fosa Juniors FC (0) – (0) Disciples FC
TFFC (1) – (1) Uscafoot
Elgeco Plus (0) – (0) AS Fanalamanga
Mama FC (0) – (0) FC Rouge (Hahemotra)