Mandeha ny fampidirana herinaratra amin’ny tontolo ambanivohitra. Toerana roa no nisitraka angovo azo havaozina, jiro azo avy amin’ny herin’ny masoandro, tato anatin’ny herinandro. Tafapetraka ny 14 feboary 2025 teo, ny fotodrafitrasa any amin’ny kaominina Lokomby, distrika Manakara, faritra Fitovinany. Tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro manana tanjaka 17,28 kWC. Mahatratra 68 kWh ny tanjaky ny bateria Lithium mitahiry ny herinaratra, raha 20 kVA ny tanjaky ny mpihary herinaratra. Miisa 4 292 ny mponina misitraka herin-jiro tontolo andro sy alina.
Tafapetraka ny 7 febroary teo koa ny any amin’ny kaominina Andilanatoby, distrika Ambatondrazaka, faritra Alaotra Mangoro. Manana tanjaka 33 kWc, ahitana bateria mitahiry herinaratra 82 kWh, ka miisa 4 820 ny mponina misitraka azy ny 24 ora/24.
Hampitomboina avo roa heny
Tafiditra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ny hampitomboana avo roa heny ny tahan’ny tokantrano misitraka herinaratra hatramin’ny taona 2030. Misy ny fiaraha-miasany amin’ny tsy miankina (3P). Toy ny Antokon-draharaha fampiroboroboana ny herinaratra any ambanivohitra (Ader) eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH) ary ny fandaharanasa WeLight Madagasikara, vatsian’ny Tahirim-bola norveziana Norfund. Nanomboka ny taona 2018 ary miisa 100 ny tanàna ho vatsiana jiro.
Njaka A.