Vidin-tsolika iraisam-pirenena: Manodidina ny 60 dolara ny iray barila

Tsy voafaritra mazava ny fiovaovan’ny vidin-tsolika amin’ity taona 2025 ity, satria manjavozavo ny toe-draharaha maneran-tany amin’ny lafiny politika sy toekarena.

Ankehitriny, mahatratra 74 dolara ny vidin’ny solika iray barila eo amin’ny tsena iraisam-pirenena Brent*, raha 72 dolara ny WTI*. Maro ny antony mampiovaova ny vidiny, mahatonga ny Vondrona firenena arabo mpamokatra Opep mampihena ny vokatra sy ny ara-jeopolitika manjavozavo. Notohizan’ny mpikambana ao amin’ny Opep ny fampihenana ny famokarany solika nandritra ny novambra sy desambra 2024, ka nataony tsy nihoatra ny 2,2 tapitrisa barila isan’andro. Anisan’ny antony ny hanohanana ny vidiny eo amin’ny tsena iraisam-pirenena, manoloana ny nahalany ny filoha amerikana Donald Trump.
Raha ny vinavinan’ny manampahaizana, mety hidina ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena amin’ity taona 2025 ity, na eo aza ny fampihenan’ny Opep ny solika vokariny. Mety ho tafidina hatramin’ny 60 dolara ny 1 barila, raha ny tombantombana.
Na izany aza, mety hitsimbadika io tombana io, raha miha ratsy ny toe-draharaha any Moyen Orient (Gaza, Liban,Yemen, ….), indrindra raha misy voakasiky ny ady ny fotodrafitrasa famokarana solika sy angovo.

Banky fampiasam-bola

Araka ny fanadihadian’ireo banky vaventy amin’ny fampiasam-bola, naminavina ny Goldman Sach, fa ho 95 dolara ny 1 barila tamin’ny taona 2024. Nahitsiny, nampidinina ho 76 dolara anefa izany taty aoriana. Nahita ity banky ity fa tsy niantraika amin’ny vidin-tsolika ny fifandirana eo amin’Israely sy Iran, saingy mety hiova izany amin’ity 2025 ity.
Ho an’ny banky JP Morgan, mety hahatratra 100 dolara ny 1 barilan’ny Brent, amin’ity taona ity. Ho 75 dolara ny fiandohan’ny taona ary hidina tsy hihetsika 60 dolara hatramin’ny faran’ny taona.
Tsy hihetsika manodidina ny 60 dolara ny barila, raha ny tomban’ny banky Citi. Hiantraika amin’ny fifandraisana amin’ny Opep anefa ny nahalany ny filoha Trump, ka mety hampitombo ny tolotra eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.

*Brent : Mamaritra ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena eoropeanina, tany arabo (Moyen Orient) ary Afrika.
*WTI (West Texas Intermediate): karazana solika any Etazonia, mamaritra ny tsena amerikana.
*1 barila = 159 litatra
* 1 dolara = 4 710 Ar

????????????????????????????????????

Mihatra ny vidiny iraisam-pirenena

Efa mihatra eto Madagasikara, nanomboka ny janoary 2025 teo, ny fampifanarahana ny vidin-tsolika isam-bolana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Natao izany, araka ny fifanarahana tamin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), ka tsy hihoatra ny 200 Ar/l ny fitomboana na fihenam-bidiny raha tiana ho azo ny Fampindramam-bola nohamoraina (Fec) sy ny Famatsiambola hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro (FRC). Nampiharina voalohany ny fanovana, ny 18 janoary 2025, nampidinana ho 4 760 Ar/l ny gazoala (nihena 140 Ar/l), nahena ho 5 700 Ar ny lasantsy raha 5 900 Ar teo aloha (-200 Ar) ny gazoala, ary tsy nihetsika ho 2 430 Ar/l ny solika fandrehitra.

Mora ny any Etazonia, lafo ny any Eoropa

Niova indray io vidiny io, ny 5 febroary 2025, ka mbola nidina ho 5 500 Ar/l ny lasantsy (-200Ar/l). Nisondrotra ho 4 890 Ar/l kosa ny gazoala (+130 Ar/l). Niakatra ho 2 630 Ar/l koa ny solika fandrehitra (+200 Ar/l), sambany niova nanomboka ny jolay 2022.
Nilaza ny minisitry ny Angovo sy ny akoranafo (MEH), i Olivier Jean Baptiste, fa mila mizatra an’io fiovaovan’ny vidin-tsolika isam-bolana io ny mpanjifa eto amintsika.
Raha ampitahaina ireo vidiny ireo, amidy 0,97 $/l ny gazoala any Etazonia, raha 4 890 Ar/l ny eto amintsika na 1,038 $/l, izany hoe, mora kokoa miohatra ny eto Madagasikara. Amidy 1,7 euros/l kosa ny gazoala any Frantsa, raha 4 890 Ar ny litatra, manome 1 euro (4873 Ar), izany hoe, lafo kokoa miohatra amin’ny antsika.

Vidiny tamin’ny 3 volana

Manodidina ny 3 volana mialoha eo ny famandrihana fividianana solika any amin’ny firenena mpivarotra. Izany hoe, ny vidiny tamin’ny novambra 2024, tany amin’ny firenena nanafarana azy, no mihatra eo amin’ny tsena ny febroary 2025. Raha ny famoaham-baovaon’ny Ofisy malagasy misahana ny akoranafo (OMH), maharitra 10 hatramin’ny 12 andro ny fotoana hitateran’ny sambo mitondra solika tonga aty Madagasikara.
Ankoatra ny vidiny any am-piaingana, anisan’ny masonkarena koa ny saram-pitateran’ny sambo, ny haba tokana ho an’ny solika (TUPP), ny saram-pitaterana azy ato anatiny, sns.

Hiova isam-bolana ny vidin-tsolika eto amintsika

 

Partager sur: