FifanakalozanA ara-barotra: Tafapetraka ny politika ara- barotr’i Madagasikara

Mahaliana ireo firenena mpikambana eo anivon’ny « Organisation mondiale du commerce » (OMC) ny politika ara-barotr’i Madagasikara andiany fahefatra.

Natolotra tamin’ny fomba ofisialy tany Genève, nandritra ny adina natao, ny politika ara-barotr’i Madagasikara andiany fahefatra. Namelabelatra ireo tahirin-kevitra 79 pejy nanoloana ny OMC sy ireo mpikambana miisa 166 ireo delegasionina malagasy izay nifarimbonan’ny minisitry ny Fampiro­bo­roboana ny indostria sy ny varotra, Ralambofiringa Da­vid, ny sekretera jeneraly sy ireo teknisiana eo anivon’ny minisitera ary solontena avy amin’ny sampandraharaham-panjakana hafa. Nametraka fanontaniana miisa 197 ho an’i Madagasikara ireo firenena 10 mpikambana eo amin’ ny OMC, izay voavaly araka ny tokony ho izy avokoa. Firenena 26 kosa nanohana ny Nosy malagasy tamin’ny fanambarana nataony ary nanolotra soso-kevitra hanatsarana ny fampiharana ny politika ara-barotra, indrindra fa ny fifanarahan’izany amin’ny lalànan’ny OMC. Tanjona ny hitsirihan’ny rehetra ny politika ara-barotry ny firenena raha toa ka mifanaraka amin’ ny lalàna eo anivon’ny OMC. Eo ihany koa ny hisarihana ireo mpampiasa vola hampandrosoana ny fanondranana ny vokatra malagasy.

Fampandrosoana
Nihaona tamin’ny tale jeneralin’ny OMC, Dr Ngozi Okonjo-Iweala, ny minisitra, niresahana ny fifandraisana eo amin’ny roa tonta. « Maro ireo zavatra azo trandrahina eto Madagasikara ka anjaran’ny tsirairay ny mamadika izany ho fanoitra ho an’ny fampandrosoana », hoy ny sekretera jeneralin’ny OMC. Notsindriny manokana fa mahaliana ireo mpikambana eo anivon’ny OMC ny firenena malagasy ka tokony hamafisina ny fiaraha-miombon’antoka amin’izy ireo. Nilaza ihany koa ny tale jeneralin’ny OMC fa vonona hanohana sy hanamafy ny fiaraha-miasany amin’i Madagasikara ny tenany.

Henintsoa Hani

Partager sur: