Mandray anjara hatrany amin’ny fanamaitsoana ny tontolo iainana ny antoko Maitso, Hasin’i Madagasikara. Nofaranany teny Ambatomanga, fokontany Beravina, kaominina Soalandy, ny sabotsy teo, ny fambolen-kazo nataony. « Zana-kazo miisa 15 000 novolena sy naparitaka tamina sekoly sy fiangonana ary lalankely samihafa miditra ny tanàna », hoy ny filohan’ny antoko, Alexandre Georget. Hazo fihinam-boa, hoy izy, no novolena teny amin’ireo sekoly, nanentanana manokana ireo mpianatra hanao izany. Tanjona ny hamboly sahady ny fitiavana ny tontolo iainana ao anatin’ny ankizy mba hahafahany mialoka amin’ireo hazo sy mioty ny vokatra any aoriana, hoy hatrany ny fanazavany.
Zana-kazo toy ny kininina sy frênes miisa 1 500 kosa no nambolena teny amin’ny tendrombohitr’Ambatomanga nenti-namarana ny hetsika. Tao anatin’ny 15 andro, nanome tanana tamin’ny fanaovana ny lavaka sy namboly ireo zana-kazo tao amin’ny fokontany ny mponina. Ny fokontany Beravina kosa no hiantoka ny fanaraha-maso ireo zana-kazo novolena.
Antoka ho an’ny fampandrosoana ny toekarena ny fikajiana ny tontolo iainana. Vina, araka izany, ny hananana firenena vanona sy manana rano ho antoky ny fampandrosoana. “Vavolombelon’ny fiovaovan’ny toetr’andro isika ka mila jerena sy atao laharam-pahamehana ny fiarovana ny tontolo iainana”, hoy hatrany ny filohan’ny antoko Maitso.
Henintsoa H.