Mahatratra 733,2 tapitrisa dolara (2 933 miliara Ar) ny zaitra naondran’i Madagasikara tany Etazonia, ny taona 2024. Izany hoe, 49,3% amin’ireo vokatra fanondrana izany, manaraka azy ny lavanila 20,7%, ny harena an-kibon’ny tany 10%. Ankehitriny, mametra-panontaniana ho an’ny hoavin’ny Agoa ireo orinasa afakaba.
Mikasa hanokatra ny habakabaka ho an’ny Air India i Madagasikara. Tanjona ny hanatsarana ny fifandraisana iraisam-pirenena amin’ny alalan’ny fitaterana ana habakabaka sy ho fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany. Tafiditra ao anatin’izany ny fanamafisana ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’i Inde sy Madagasikara.
Tetikasa famokarana angovo azo avy amin’ny masoandro 50 MW. Ireo no votoatin-dresaky ny sekreteram-panjakana miandraikitra ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana sy ireo tomponandraiki-panjakana tany Toamasina, omaly. Tanjona ny hampiroboroboana ny fampiasana ny angovo azo havaozina sy hisitrahan’ny rehetra ny herinaratra.
Tombanana ho 2 500 miliara dolara ny harinkarena faobe (PIB) ofisialin’i Afrika, ny taona 2018. Ambany noho ny sandan’ny harena voajanahary aty amin’ny kaontinanta izany, izay tombanana ho 6 200 miliara dolara. Tsara ampidirina anatin’ny fikajiana ny PIB ny sandan’ny harena voajanahary.