Klioba anisan’ny efa ela ny Union amicale et sportive des Cheminots (UASC), taranja Judo. Feno 35 taona ny nijoroany ka nisy ny lanonana nanombohana ny fankalazana teny amin’ny Tanàna Soa Ambohimanga, ny faran’ny herinandro teo. Hitondra rivo-baovao sy hametraka toe-tsaina sahy hanova eo anivon’ny klioba no tarigetra araka ny teny filamatra hoe « Sahia manova, sahia miova ». Nambaran’ny filohan’ny klioba sady depiote, Andriamiharivolamena Liva Zavamanitra, fa maro ny vinanasa hatao, ka ngeza indrindra amin’izany ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny Dojo an’ny tenany manokana. Eo koa ny fampianarana teknika ireo ankizy, ary ny fanomanana sahady ny fifaninanana rehetra hatrehina. Hiezaka hamerina ny hasin’ny Judo ihany koa ny tanjona. Tsiahivina fa efa maro ny anaram-boninahitra noraofin’ny judokas tao aminy.
Ankoatra ny mpikambana izay efa an-jatony ao aminy, klioba maro avy eto Analamanga no nanome voninahitra ny lanonana, izay saika ireo olona na judokas novolavolain’ny klioban’ny UASC ny akamaroan’izy ireny. Nahazo fankasitrahana ho fahatsiarovana ity tsingerin-taona ity avokoa ireo rehetra tonga teny Ambohimanga.
Mi.Raz