Badminton – « Afrique 2025 » : Fandresena roa sy faharesena iray azon’i Lalaina

Tontosa tany Douala Cameroun, ny alahady lasa teo, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja badminton, sokajy Senior.

Noho ny tsy fahampian’ny nenti-manana, tsy nisy afa-tsy atleta iray ihany no afaka niatrika izany ho an’i Madagasikara, tamin’ny alalan-dRamanana Rahary Lalaina. Mpilalao mipetraka any Frantsa ny tovolahy.
Fandresena roa sy faharesena iray, teo amin’ny dingana ampahavalon-dalana, no vo­katra azony, nandritra ity fi­fa­­ni­nanana aty amin’ny kaontinanta afrikanina ity. Raha tsiahivina nandresy tsy niady nanoloana ilay senegaley, Ahmad Abdul–Samad, teo amin’ny ampaha-32-ndalana avy eo mbola nanilika ilay renioney, i Xavier Chan, tamin’ny seta 2 no ho 1 nandritra ny lalao ampaha-16-ndalana saingy niondrika teo anatrehan’ilay maorisianina, i Georges Julien Paul, tamin’ny seta 2 no ho 0. Mbola vato misakana ho an’ny Malagasy hatreto ry zareo maorisianina amin’ity taranja ity.
Nanaporofo izany ny Lalaon’ny Nosy, natao teto Madagasikara, izay nanjakan-dry zareo ary nandraofany medaly volamena maro. Na izany aza, efa traikefa goavana ho an’i Lalaina ny fiatrehana iny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika iny. Zava-dehibe ihany koa izany satria misy filaharana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Iny lalao ho an’olon-tokana iny ihany koa ny anjaran’ny Malagasy tamin’ity.

Tompondaka

Partager sur: