“Afrobasket 2025” : Fantatra ireo mpilalao 12 mirahalahy

Nivoaka omaly ny lisitra ofisialin’ireo mpilalao mandrafitra ny ekipan’ny Ankoay, hiatrika ny dingana faran’ny fifanintsanana amin’ny “Afrobasket 2025”, hatao ny 21 hatramin’ny 23 febroary izao, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina.

Telo andro tsy higadonan’ny fifaninanana, vonona ary efa feno ireo mpilalao 12 mirahalahy voafantina handrafitra ny ekipa nasionaly Ankoay. Izy ireo no hiatrika ny dingana faran’ny fifanin­tsanana amin’ny “Afrobasket”, hatao eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahama­sina. Omaly io lisitra io no nivoaka. Azo lazaina ho efa nampoizina ihany ny mpilalao voatsonga, raha jerena izany lisitra izany. Tafiditra avokoa ireo mpilalao milaravinahitra 6 mirahalahy, ahitana an’i Mathias M’Madi, Rabibisoa Jerry Pépin, Raharimananto­anina Sitraka, Razanamahe­nina Kiady, Randriamananjara Johan ary Lahontan Rija. Efa tonga eto an-tanindrazana avokoa izy 6 mirahalahy ireo ary efa miatrika ny fampivondronana eny amin’ny Cnaps Vontovorona. I Mathias M’ Madi no tonga farany, omaly.
Ankoatra azy 6 mirahalahy, mpilalao tsy zoviana eo amin’ny tontolon’ny basikety avokoa ny ankamaroan’ireo mpilalao ambiny, ahitana an-dRandriamampionona Elly, So­lon­drainy Arnol, Ratiana­rivo Livio, Faralahy Romain ary Rasolomanana Anthony, izay samy andrarezina eo amin’ny lalao basikety 3×3 avokoa. Rasolonandrianina Hasina no mpilalao faha-12 manampy azy ireo izay azo lazaina ho sambany handrafitra ny ekipa nasionaly. Mahakasika ny fandaharam-potoana eo amin’ny fanazarantena, anio sy rahampitso no tena hanamafy izay ireto mpilalao ireto miaraka amin’ny mpanazatra, Ravonimboka Jeannot sy Rakotonanahary Ndranto.

Mi.Raz

Ireo mpilalao 12 handrafitra ny Ankoay Seniors

1-Mathias M’Madi
2-Lahontan Rija
3-Ratianarivo Livio
4-Razanamahenina Kiady
5-Randriamampionona Elly
6-Randriamananjara Johan
7-Faralahy Monja Romain
8-Raharimanantoanina Sitraka
9-Solondrainy Arnol
10-Rasolomanana Anthony
11-Rabibisoa Jerry Pépin
12-Rasolonandrianina Hasina

 

Partager sur: