Raha ny seho sy fahaizana mivarotra dia tompondaka ny Malagasy. Mampiaiky volana ny mahita ireo olona, toa anjely raha jerena amin’ny tambajotran-tserasera. Rehefa zohina akaiky anefa ny fiainany, anisan’izay farahidiny. Ny trano itoerany, ny asa fanaony andavanandro anefa dia anisan’ny farahidiny tokoa. Tompondakan’ny “werawera”.
Mifanindran-dalana amin’izay ihany koa, maro ny Malagasy tompondaka amin’ny tsy fanarahan-dalàna. Mahazo vahana mihitsy izy, ankehitriny. Mainka izy laroina fanaovana kolikoly izany dia miroborobo izaitsizy tokoa. Manahirana ny zava-misy fa ny ratsy no mivadika ho fenitra. Ny manao ny tsara indray no heverina ho adala.
Tompondaka ihany koa isika amin’ny fifanomezan-tsiny sy ny fialana andraikitra. Tsy misy manaiky ho diso izany na efa mipaka any anaty vilany aza ny voka-dratsin’ny tsy fahaiza-miaina. Mahafaly fotsiny ilay mifampitsetsetra sy mifamendrofendro. Tian’ny olona ilay atao hoe sahirana, mba ho toloram-potsiny. Tsy mamparisika azy ny hitady vahaolana amin’ny fahoriany. Miandry mana!
Tena mampiaiky volana, ara-bakiteny ihany koa ilay vahoaka zary tompondakan’ny fisainana miiba. Tsy misy faly mahita namana tafita izany. Mitady hirika hisintomana midina hatrany. Ny tena zava-doza, trangam-piarahamonina mahazo vahana, ankehitriny, ny fanaovana ankasomparana eny anivon’ny fiarahamonina.
Mirongatra ny fanatonana itony karazana mpanao fahagagana sy “mpitaiza olona” itony, andaniny. Mahazo vahana ny fandrobana sy ny hala-boty, ankilany. Firifiry ny lasibatra, fongana anatin’ny indray mipi-maso ny fananana. Tsy misy intsony ny fitserana fa ory hava-manana no betsaka. Haripaka izay azo haripaka, finganina izay azo finganina.
Malaza moa ny teny hoe tompondaka tato ho ato: misy ny malaza amin-javatra tsara, fa maromaro koa malaza ratsy. Ny hamehezana azy, mila mijery akaiky ilay fiarahamonina misy azy ny Malagasy.
r.r