Fikarohana: Hojerena ireo lavanila mahazaka toetr’andro

Anatin’ny fikarohana ireo lavanila mahazaka ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ireo aretina samihafa ny « Centre de coopération internationale en recherche agronomique pour le développement (Cirad). Tanjona ny hampiroborobo ny vokatr’ireo mpamboly ka ha­ha­tohitra ireo karazan’aretina mety hiseho. Hanampy an’i Ma­dagasikara hitazona hatrany ny toerana amin’ny maha mpamokatra lavanila azy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity fandaharanasa ity. Tanjona ny hampaharitra ny vokatra na eo aza ny fiovaovan’ny toetr’andro misy amin’izao fotoana. Mi­ara-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka maro eto an-toerana toa ny Fofifa sy avy any ivelany ny fikarohana ataon’ny Cirad izay iarahany amin’ny Félicien Favre ao Toamasina.
Mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena aty amin’ny ranomasimbe Indianina ny lavanila ary miantoka ny 80% ny vokatra maneran-tany. Loharanon-karena ho an’i Madagasikara ity la­lam-pihariana ity. Na izany aza, nihena 15,4% ny vola azo tamin’ny lavanila noho ny fihenan’ny vidiny ho 74% na niakatra 224,9% aza ny vokatra ny taona 2024.

Henintsoa H.

Partager sur: