Nanao tombana ny fampitaovana teny amin’ny CSB ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ho an’ny taona 2022. Fantatra tamin’izany fa miisa 2170 ireo CSB nisitraka famatsiana ara-pitaovana nifandraika tamin’ny filana eny ifotony.
Miankina amin’ny fangatahana ataon’ny tobim-pahasalamana no namaliana ny filany mba hanatsarana hatrany ny tolotra ara-pahasalamana.
Nahitana kidoro 800 isa sy latabatra fizaham-pahasalamana ary latabatra fampiterahana ireo fitaovana novatsiana ireo. Teo kosa ireo kojakoja maro entina hanatsarana ny fanaovam-baksiny toy ny vata fampangatsiahana mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 540 naparitaka tamin’ ireo CSB any ambanivohitra tsy misy herinaratra.
Teo koa ny moto 302 ho an’ny lehiben’ny CSB ary bisikileta 1.700 ho an’ny mpanentana ara-pahasalamana, ahafahana miantsehatra any amin’ireo toerana tsy tongan’ ny fiara sy hanaovana vonjy aina amin’ireo tanàna mitoka-monina lavitry ny toeram-pitsaboana.
Tatiana A