Tamin’ny taon-dasa no efa niomana amin’ny fiavian’ny fotoam-pahavaratra sy ny rivodoza ny BNGRC sy ny mpiray ombon’antoka. Vonona ny fitaovana sy ny toeram-pandraisana.
Efa voasoratra ao anatin’ ny volavolan-dalàna momba ny tetibolam-panjakana (LFI) taona 2023 ny sorabola 2 miliara Ar anjaran’ ny fitondrana malagasy amin’ ny «Fonds national de contingence», hiatrehana ny voina eto amintsika . Araka ny nambaran’ny tale jeneraly lefitry ny Birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC), omaly, teny Andrainarivo. Vonona avokoa ny fitaovana sy ny sakafo ary ny toeram-pandraisana ny traboina ho an’ny taom-pahavaratra 2022-2023. «Anisan’ny fitaovana ilaina ny sambo haingam-pandeha ahafahana mamindra toerana ireo olona voatery miala amin’ny trano mialoha ny fiakaran’ny rano ary miara-miasa amin’ny foloalindahy ny BNGRC momba izany», hoy ny tale jeneraliny, ny jeneraly Andriakaja Olivier Elack. Fantatra avokoa ny toeram-pandraisana ireo traboina sy ny olona voatery miala amin’ny tranony ho fisorohana ny voina. Ankoatra ny fiangonana, misy koa mpiray ombon’antoka nanolotra toerana azon’ny traboina hitoerana, eo koa ny tranompokonolona sy ny kianja mitafo ho an’ny eto Antananarivo. Mijery ny fotodrafitrasa sy ny fampitaovana efa misy ao anatiny ny tomponandraikitra amin’izao fotoana izao. Manohana ny hetsika koa ny Unicef, ny CRS, ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka…Toeram-pandraisana farany ny sekoly tsy hahatapaka ny fampianarana, hoy ny fanamarihany. Hamafisina koa ny fiaraha-miasan’ny BNGRC sy ny Meteo malagasy hahazoana mialoha ny vinan’ny refin’ny rotsak’orana mety hilatsaka amin’ny toerana iray.
Vonjy A.
211 ny olona namoy ny ainy
Enina ny rivodoza nandalo teto Madagasikara nanomboka ny volana janoary ka hatramin’ny avrily 2022, niampy ny «zone de convergence intertropicale (ZCIT)» nitondra orambe. 211 ny
isan’ny olona namoy ny ainy nanerana ny Nosy nandritra ny fotoam-pahavaratra teo ary 466 187 ireo traboina. 300 000 ny olona nisitraka fanampiana avy amin’ny fanjakana tamin’ny alalan’ ny BNGRC. Nifarimbona tamin’ny BNRGC koa ireo mpiray ombon’antoka samihafa vahiny sy malagasy. Nahatratra 895t ny vary nozaraina, voamaina 87t, menaka 33 385l, savony 489 baoritra, tafo fanitso 7873 niaraka amin’ny kojakojan-dakozia samihafa.