Ilay toe-tsaina!

 

Nahafinaritra ny fiaraha-nijery basikety, omaly, teny Mahamasina, ho an’ireo izay afaka nanatrika nivantana. Nampitaintaina ny lalao roa nifanesy, indrindra ilay nandraisan’ny Ankoay anjara. Nifanalavitra ny vokatra ho an’ny Ivoariana sy ny Malagasy, izay resy lavitra. Niady hatramin’ny farany kosa ny ekipan-dry Sitraka sy ry M’Mady, ary Elie.
Ny indrokely, ilay mpilalao fahenina dia ny mpijery izany. Tonga hatrany anatin’ny Lapan’ny fanatanjahantena ny fomba ratsy eny anivon’ny fiarahamonina. Sarotra ny mitsara olona fa ny vay koa anefa raha tsy vakiana, tsy hita ny hanamainana sy hitsaboana azy. Ilay sakaizan’ny mpandresy aloha dia tsy afaka mihitsy. Raha vao misy tsy mety dia sioka miharo ompa no mahazo ilay mpilalao.
Toraka izany ny fitiavan-tena sy ny zarazarao hanjakana! Aiza ve dia ny mpijery indray no manimba ny môralin’ny mpilalao amin’ny antsoantso manokana, mahakasika anarana mpilalao iray na roa. Asan-tarika anefa ny lalao basikety, ny mpilalao 12 voafantina sy ny mpikirakira ny teknika miaraka amin’ny mpanazatra no miara-mientana sy miara-miady. Ny mpijery no tokony hiray fo.
Tsy vitan’izany fa dia lasa mpanazatra matihanina daholo ny mpijery. Mivadika ho fanakianana sy fankahalana an’ilay ekipa ny zavatra nataon’ireto milaza fa mpankafy. Tsy mahagaga, tonga onja miiba faobe ilay zava-misy. Tsy misy ratsy mitondra vokatsoa izany. Aiza ka isika Malagasy ihany no manompa amin’ny siontsioka ny mpilalaontsika.
Tsy vitan’izay fa sakaizan’ny mpandresy lava. Vao metimety ny atao dia mihoraka sy mibitaka. Raha mafimafy ny ady dia manebaka sy manao vava tsy ambina. Ekena fa namoaka vola nidirana tany fa tsy haka fafiny fotsiny. Mila manova toe-tsaina mihitsy!

r.r

Partager sur: