Fanahiana fihotsahan’ny tany: tsy andraikitry ny fanjakana ny famindrana ny mponina

«Efa nandray ny andraikiny ny fanjakana tamin’ny fametrahana ny saina mena eny amin’ny vohitr’i Man­ja­kamiadana, Ambohidempona ary Faravohitra sy ny manodidina. Ampahafantarina ny fisian’ny tandindon-doza ny toerana iray ka tokony handray fanapahan-kevitra mi­fan­draika amin’izay ny mponina», hoy ny tale jeneralin’ ny BNGRC, omaly. Fokon­tany 15 ahitana mponina 10 000 no voakasiky ny mety ho fihotsahan’ny tany sy ny vatobe ao anatin’ny fotoam-pahavaratra. Tsy ho vitan’ny fanjakana ny hamindra ireo olona rehetra ireo amin’ny toerana maromaro sy hanome sakafo azy ireo. Soso-kevitra no naroso amin’ny tokony hialan’izy ireo eny mandritra ny fotoam-pahavaratra ka ny volana jona vao miverina. «Manara-maso ny fivoaran’ ny zava-misy ny teknisianina fa tsy mbola azo kitihina koa ireo vatobe mbola tavela eny noho ny tandindon-doza aterany. Nisy nanala ny saina mena sasany napetraka ka tratran’ny andrimasom-pokonolona ireo manao izany. Efa naverina napetraka indray ireo saina noesorin’ny fahavalom-pirenena ireo», araka ny fanazavany ihany.

Nomarihiny fa ho vita tsy ho ela ny «centre opérationnel» voalohany eto Madaga­si­kara an’ny BNGRC hitantanana ny krizy rehetra ara-pahasalamana, voina hatramin’ny ady aza. Misy toerana voaomana miaraka amin’ny fitaovana manamora ny asa rehetra ary samy efa mahafehy ny andraikiny ny tsirairay.

Vonjy

Partager sur: