« Manonofy ny kintana amam-bolana », hoy ny Malagasy izay… Fa ity kosa tsy nofy intsony satria tetikasa ambivitry ny hotanteraka, satria efa aman-taonany no nanomanana azy. Natao hanangonana tahirin-javakanto maro karazana, avy amin’ny firenen-drehetra, ka halefa ho voatahiry eny amin’ny volana ny « Lunar Codex 2025 ». Misy sanganasan’ny mpanakanto malagasy 10 ao anatin’izany. Ny « Atsangano » an’i Joey Arisoa, ny « Hafatry ny taranaka sy ny « Femme-Lune », ambaran-tononkalon’i Na Hassy, ny rakitsary « Manja » sy « Ndao » an’Imiangaly. Manampy ireo ny « Mbay lalana » sy « Mpivahiny » an’i Zamba Valiha, ny « Dimbaka », horonantsary fohy an’i Franco Clerc, « Ece & Mada », « Siri my love », « Zuckerbook », boky sanganasan’i Mose njo ary saripika 10, sanganasan’i Pierrot Men no voafidy tao anatin’ny maro, halefa hihazo ny volana.
Niniana nafangaro mihitsy, mba haneho ny fahasamihafana ara-kolontsaina misy eto amin’ny planeta tany ireo sanganasa alefa any amin’ny volana ireo. Natao tsy ho simban’ny fotoana, ka hipetraka ho tahiry holovain’izay miaina any aoriana any izy ity. Ny volana desambra izao no handefasana ny tetikasa « Lunar Codex 2025 ».
Zo ny Aina